Oeuf mimosa

1109

FANOKAFAM-BAVONY - ENTREE : OEUF MIMOSA

Tsotra sady mora atao izy ity ary eto amin'ny sary moa dia misy koa ny voatabia 

ZAVATRA ILAINA:

- Atody
- Kotomila na persil
- Mayonnaise

FIKARAKARANA AZY

- Andrahoina aman’akorany ny atody (atao oeuf dur) 10 hatramin’ny 12 minitra eo, somary tsindromina kely amin'ny zava-maranitra ny tendron’ny atody amin’ilay ilany lehibe fa tsy ilay matsoko mialohan’ny andrahoina azy dia tafavoaka ny rivotra mandritry ny fandrahoina azy ary dia mora voasana tsara izy rehefa masaka, alona kely amin'ny rano mangatsiaka rehefa masaka mialohan’ny hamoasana azy
- Zaraina roa ny atody (misy ilay fitaovana kely ireny afaka mampahazo endrika ny atody fa azo atao amin'ny antsy tsotra tsara)
- Alaina ny tamenany rehetra dia potserina ary afangaro amin'ny mayonnaise sy kotomila efa notetehina majinika kely
- Fenoina amin’io tamenany nasiana mayonnaise sy kotomila io indray avy eo ireo tapotsiny
Fanamarihana : mba nampisy loko ny buffet dia nampiasa voatabia ihany koa aho nozaraina roa dia nofenoina ilay fangaro, afaka ihany koa anefa atao mayonnaise nasiana ketchup dia lasa somary mavokely no atao sesiky ny voatabia, tetika tongolo maitso no nataoko teo amboniny mba miala amin' ilay tsongona persil.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Minosoa Raoniarimanga 31.12.17

 

Catégorie: