By Andry Rakotomavo
Mousse aux foies de volaille
Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina ,
zaraina am-pitiavana hatrany ny nahandro atolotry ny namana ao amin'ny Malagasy Mizara Nahandro.
MOUSSE AUX FOIES DE VOLAILLE (paté)
AKORA ILAINA
atin'akoho 600g
tongolo 2
dibera 1sotro mitafotafo
sira,
dipoavatra
ahi-manitra -herbes de Provence (eto thym sy romarin 1/2 sotrokely avy)
porto 1sotro (eto kirsch)
crème fraiche (3sotro)
FIKARAKARANA AZY
- Tetehana ny tongolo dia endasina amin'ny dibera 5 minitra. Miova loko sy lasa mamiratra ary malefaka.
- Mandritr'izay, esorina ny hozatra na "nerf" amin'ny atin'akoho dia tetehana madinika izy avy eo
- Rehefa masaka ny tongolo, dia arotsaka ao ny atin'akoho, asiana sira, dipoavatra, ary ahi-manitra (thym sy romarin maina eto). Avela hitanika kely 10 minitra eo amin'ny afo malefaka, aroina matetika.
- Vonoina ny afo, dia arotsaka ny porto. Avela kely 5 minitra.
- Arotsaka anaty "mixeur" avy eo, rarahana crème fraiche 3sotro fihinana ary totoina.
- Afindra amin'ny lasitra "terrine" no tena tsara (fa eto bol vy) dia avela anaty vata fampangatsiahana 4 ora no mihoatra, vao hohanina.
- Tehirizina tsy mihoatra ny herinandro (satria tsy nampiasa akora fitehirizana teto). Azo ahena ho 1/3n'io fatra io no atao raha atahorana tsy ho lany.
Araho antsary ary ny fikarakarana.
Mazotoa o !
Nahandro sy sarin'i Vero Randriam
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire