Mofomamy probo sy akondro

650

ODY AM-BAVA FO : MOFOMAMY VOVO-KATSAKA SY AKONDRO

Zavatra ilaina : 

Probo 500g (vovo-katsaka)
akondro 1/2 kg
siramamy 250g
ronono 1L
mini choco 2
menaka kely 

Fikarakarana azy :

- Maka probo 2 sotro dia afangaro amin'ny ronono kely, avy eo arotsaka ny probo rehetra dia tapohana tsikelikely amin' ilay ronono efa nomasahana, aroina mba tsy hitambaingana
- tanehana ambony afo dia aroina tsy mijanona, rehefa marihitra dia esorina ambony afo
- hosorana menaka ny lasitra, alefa ao ny paty ( "moule coeur" no nampiasaiko teto fa izay tiana)
- tetehana boribory ny akondro , alefa ao anaty paty (afaka potserina koa raha tianao), tapatapahana ny sokola dia arotsaka ao fotsiny
- andrahoina masavekova (bain marie) 1ora eo, lafaoro gasy ny nataoko, vilany cocotte nasiana rano, napetraka ny lasitra efa misy ny paty, nosaromana ny vilany dia asiana arina (charbon) ambony ambany.
- Rehefa mangatsiaka dia esorina anaty lasitra, ahohoka dia malama tsara ny tampony.

Mazotoa o

Nahandron'i Lah Randria

 

Catégorie: