Mofomamy paoma

Portrait de Angie
1143

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina

 

MOFOMAMY PAOMA

 

ZAVATRA ILAINA

 

3 Atody

200g siramamy

350g lafarina

150g dibera

1/2 vera ronono

1 tsongo ny sirq

1/2 sotro kely vovoka kanelina (poudre de canelle)

15g lalovay simika ( levure chimique)

2 na 3 paoma.

 

FIKARAKARANA AZY

 

1.Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy

2. Afangaro daholo ny akora ilaina maina rehetra atokana amin'ny bol iray

3. Arotsaka amin'ny atody sy siramamy ny dibera natsonika (atao anaty bol kely atao anaty vilany misy rano na koa microonde)

4. Arotsaka ko ireo akora maina rehetra. Afangaro moramora amin'ny "spatule" na sotro be hazo.

5. Arotsaka ny pommes voatetika dia afangaro aminy spatule toy ny teo aloha

6. Arotsaka ny ronono mba hampalefaka ny fangaro rehetra.

Raha hita fa mbola mafy ny fangaro dia afaka ampiana ny ronono kely

7. arotsaka anaty lasitra efa nosorana dibera dia ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha. Ka 180 C ny hafanana mandritra ny 40-50 minitra eo dia masaka.

Tsatohana antsy rehefa maina tsara ny antsy dia vita

Azo atao ihany koa manao azy amin'ny lafaoro gasy, izany hoe vilany ka samy asiana afo ambony ambany fa ny eo ambony ny takotra no atao betsaka kokoa, mila jerena matetika anefa ny nahandro 

 

Nahandro sy sarin i Voahangy Treves

 

Mazotoa o

 

Ingrédients: 
Catégorie: