Mofomamy misy paoma

1171

MOFOMAMY PAOMA: gateau de pommes

ZAVATRA ILAINA:

Zavatra ilaina: lafarina 450g, leviora fampiasa amin'ny mofomamy 1, sira vovony in-2 mitsongo, siramamy fotsy 100g, siramamy mena 100g, dibera (na menaka) 150g,  vovoka kanela 2 sotrokely, iaorta tsotra (matsatso) 1, hodim-boasary voakiky izay ampy, atody 1, paoma fahandro 4.

FIKARAKARANA AZY 

Rehefa voasasa sy voavaofy ny paoma dia zaraina efatra, esorina ny voany ary tetehana fisaka tsy dia manify ka hafangaro amin'ny siramamy mena sy ny kanela. Azo ampiana: vakio *

Hafangaro ny lafarina sy ny leviora ary sivanina mba ho maivana tsara fa tsy hifatratra.

Tetehana, kioba ny dibera, hatsonika kely dia hafangaro amin'ny siramamy fotsy, sira, atody nokapohana kely sy ny hodim-boasary ary ny iaorta.

Manao lavaka eo amin'ny lafarina dia arotsaka tsikelikely ao ireo fangaro teo. Polimpolesina hifangaro tsara. Rehefa izany dia atao bolabola ilay fangaro teo, zaraina roa io avy eo ary ahetry amin'ny fitaovana famisahana (rouleau) aloha ny iray. Asiana dibera (na menaka) sy vovoka lafarina kely na taratasy fandrahoana ny lasitra.Rehefa fisaka tsara dia apetraka manemitra tanteraka ny lasitra (boribory na efa-joro, lehibe). Asiana dibera na menaka sy vovoka lafarina kely na taratasy fandrahoana ny lasitra. Arotsaka ao ny paoma, mety ho nitera-drano fa tsara foana, tsisy hajanona. Saronana amin’ny ambin'ilay bolabola izay efa nofisahana ihany koa. Volavolaina hihidy tsara ny sisiny.

Andrahoina anaty lafaoro (efa narehitra mialoha) amin'ny hafanàna 180°, mandritra ny 30 minitra eo.

FANAMARIHANA

Raha tiana rehefa masaka ny mofomamy dia asiana tantely nafangaro rano kely na tamenak'atody 1 ahosotra manify eo amin'ny tampony raha maina be. Avela kely ao anaty lafaoro efa maty  fa mbola mafana, nosokafana somary mitanila. Rehefa maina avy eo dia rarahana siramamy (sucre glace).

*Azo ampiana zavatra hafa toy ny potika noix vaventiventy voahendy, (na pignons voahendy) sy voaloboka maina hafangaro amin'ny paoma.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin' Hanta Nandrianina 23.01.2019

 

Ingrédients: 
Catégorie: