Mofomamy fo

576

GATEAU COEUR 

zavatra ilaina:

atody 6,
lafarina 180g,
siramamy 180g,
creme chantilly,
mananasy
siramamy izay tiana

Fikarakarana 

Afanaina 200° ny lafaoro
Kapohina ho lasa "mousse" be ny atody sy siramamy
Arotsaka indroa ny lafarina dia aroina moramora
Atao anaty lasitra fo (20cm ny savaivony ) efa nahosorana menaka sy nasiana taratasy ny fanambaniny
Ampidirina lafaoro mandritra ny 20mn 
Tetehina "en de" ny mananasy dia asiana siramamy izay tiana dia andrahoina amin'ny afo malefaka 10mn
Silahana roa avy eo ilay mofomamy dia hosorana ny ranon'ilay mananasy izay vao hosorana lakirema, rehefa izay dia alahatra eo amboniny ilay mananasy nandrahoina notetehina en de dia averina eo amboniny ilay silaka mofomamy
Asiana ranona mananasy indray vao asiana lakirema, dia haingoina amin'izay avy eo
Mirary soa hatrany e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: