Mangahazo sy sardine

997

ODY AM-BAVA FO NA TSAKITSAKY : MANGAHAZO SY SARDINE 

ZAVATRA ILAINA:

- Mangahazo iray lehibebe voasana dia tetehina. Andrahoana malemy tsara amina rano misy sira kely izay tiana. Tsy atao be rano nefa tsy atao ritra koa. 
- Sardine amin'ny boaty. 
- Maionezy iray sotro na izay tiana hampatsiro azy. 
- Sira, dipoavatra, tongolo maitso voatetika kely ho haingo. 
- Menaka oliva iray sotrokely Na Dobera. 
- Ranom-boasary makirana iray sotrokely na vinaingitra. 

HAINGONY:
mofo,
salady,
voatabia voatetika 
vinaingitra balsamika iray sotrokely.
 

FIKARAKARANA AZY:

Potsehina miaraka ny mangahazo masaka misy ranony kely sy ny sardine. Asiana sira sy dipoavatra, menaka oliva, ary vinaingitra izay tiana, ary ranom-boasarimakirana. Rehefa voapotsitra malemy dia asiana mayo. Alamina tsara anaty vilia lalina ary asiana haingo kely tongolo maitso na kotomila na izay tiana. 
Dia hakana hatao ambony vilia asiana ireo haingo voalaza.

mazotoa o 

Nahandron'i Cotton Wood 

 

Catégorie: