Lasagne sy nofo-kena kisoa

Portrait de Angie
202

 
Lasagne sy nofo-kena kisoa (azo atao nofon'akoho ihany koa)

Atao fisaka madinika ny hena ary endasina atao mandimendy, asiana tongolo gasy, poivre, sira.
Tetehina ny tissame sy celeri (arakaraka ny isan'ny hisakafo no atao habetsany) ary endaendasina mitokana asiana sira sy poivre.
Hosorana beurre ny plat fanaovana gratin dia rarahana sauce bechamel @ louche atao manify.
Alahatra eo ambony ny pate lasagne.
Rakofana an'ilay tissame efa masaka.
Velarina eo ambony ny nofon-kena efa masaka
Asiana fromage rapé
Rarahana thym indray
Rakofana sauce béchamel
Alahatra eo ambony ny pate lasagne
Tissame
Nofon-kena
Fromage rapé
Thym.
Dia toy izay hatrany... tokony ho 3couches de lasagne izany ny indray mahandro ary fromage rapé sy thym no farany ambony indrindra.
Andrahoina anaty lafôr efa mafana: 180°C, Th.6 mandritra ny 45mn eo.
Avela hangatsiaka 15mn eo ivelany eo aloha ny lasagne vao azo aroso @ izay.

Mazotoa Daholo Indray Ary Ô!

 de Monique Claires Malal

Catégorie: 
Matériels: