Koba ravina sy voanjo

1020

KOBA RAVINA

ZAVATRA ILAINA :

kobam-bary 3/4kg
voanjo manta voatoto 2kg
siramamy 1kg
ravin'akondro

FIKARAKARANA AZY :

Lazoina ny ravin'akondro: somary atono amin'ny afo halefaka kokoa
velarina ary rarahana koba manta manify.
Atao eo ambonin'ny koba ny voanjo manta voatoto mifangaro siramamy.
ingaina ny lafin'ny ravina 2 dia saronana koba manify indray eo amboni'ny voanjo.
Ahorina ny ravina ary fatorana.
Andrahoina 16 ora, atao difo-drano ka tsy avela ho ritra fa tapohana foana vao ritra.
Rehefa masaka dia avela hangatsika.
Matsiro be io 
Mazotoa.

Nahandron'i Mbola Eliane 

 

Ingrédients: 
Catégorie: