Karazana saosy

273

Ireto misy karazana saosy vitsivitsy:

Ho an'olona 4 ireto a :

1) SAUCE AU YAOURT (miaraka tsara amin'ny karazana salady, hena mangatsiaka, atody masaka)

200g yaourt (habobo)

Hasina tongolo gasy voatoto (izay tianao)

menaka 1sotro

ranom-boasary makirana 1sotrokely

sira, dipoavatra voatoto

Afangaroy ny tongolo gasy voatoto, menaka, dipoavatra, sira ary habobo.

Kapohy tsara amin'ny fouet mandra-pahazo saosy marihitra sy malama tsara. Andramo dia ahitsio ny tsiro raha ilaina, arotsahy amin'izay ny ranom-boasary makirana, dia haroy moramora.

2) SAUCE COCKTAIL (ampiarahana amin'ny "fruits de mer", "salade de pomme de terre", "salade de légumes", zavoka, "cocktails de crevettes")

250g mayonnaise

100ml crème fraîche

whisky na cognac 1sotro lehibe

concentrée de tomate 1sotro lehibe

Afangaroy amin'ny cognac na whisky ny "concentrée de tomate", rehefa izay dia afangaro amin'ny "mayonnaise" indray avy eo.

Kapohy tsara amin'ny fouet ny "crème fraîche" dia arotsahy moramora amin'ny fangaro teo aloha.

3) SAUCE AILLOLI (hihinanana kitonotono trondro na hena)

300ml menak'oliva

Hasina tongolo gasy 3 voatoto

2 tamenak'atody

ranom-boasary makirana 1sotro

vinaigre balsamique 1sotro

moutarde 1/2 sotrokely

sira, dipoavatra

Afangaroy ny tamenak'atody, sira, dipoavatra, ranom-boasary makirana, "vinaigre balsamique", "moutarde". Arotsaho tsikelikely ao avy eo ny menaka.

Kapohy amin'ny fouet mba hahazo toy ny mayonnaise. Ampio ilay tongolo gasy voatoto. Ataovy anaty vata fampangatsiahana mandra-pihinanana azy.

4) SAUCE TARTARE ( ampiarahana amin'ny hena rehetra, trondro natono na natao lafaoro. Tsara ihany koa miaraka amin'ny frity sy ny "beignets de légumes")

mayonnaise 4 sotro

moutarde 1sotro

atody Masaka 4

tamenak'atody 1

tongolo 2 kely

ranom-boasary makirana 1 sotrokely

tongolo maitso kely

sira, dipoavatra

Voasy ny atody, poteho ny tamenany dia afangaroy amin'ilay tamenak'atody manta.

Arotsahy ao ny moutarde sy mayonnaise

Teteho manify koa ny tapotsiny. Teteho manify ny tongolo sy tongolo maitso.

Afangaroy avokoa ny fangaro rehetra. Asio sira, dipoavatra ary araraho farany ny ranom-boasary makirana.

N.B : ny tsara indrindra dia ny andro ilàna azy vao atao ny saosy, raha toa ka misy ambiny na tsy manam-potoana dia afaka atao mialoha ihany, atao anaty "bocal en verre" mihidy tsara ary atsofoka anaty vata fampangatsiahana, laniana ao anatin'ny 3andro.

Ireto koa mbola misy karazany hafa : 

1-SAOSY CURRY: 

creme liquide 2 sotro fihinanana,menaka 2 sotro,curry 1 tsongo,cumin 1 tsongo.afangaro ny akora rehetra.

2-SAOSY SALADY:

creme fraiche 1,5 dl,moutarde 1 sotro,ranona voasary makirana 1,sira sy dipoavatra,ketchup 1 sotro,cognac 1 sotro kely.afangaro ny akora rehetra.

3-SAOSY VINAIGRETTE MATSIRO:
hanitra samy hafa voatetika,vovoka amende 25 g,tamenaka atody masaka 2,menaka 2 dl,vinaigitra 5 cl,rano 5 cl,moutarde 1/2 sotro,sira,dipoavatra
Afangaroy ny atody,moutarde,sira,dipoavatra,vovoka amende.Ampidino moramora ny menaka toy ny mayonnaise.Hamaivano ny saosy amin'ny vinaigitra sy rano.Arotsaho ny hanitra.

4-SAOSY YAOURT:
yaourt nature 2,mayonnaise 5 sotro,hanitra samy hafa voatetika 1 sotro,sira,dipoavatra
Afangaroy ny akora rehetra.Azo ampiana tapatapaka voatabia efajoro

Mazotoa o 
de Lant'ny Aina et Vero Randriam

Catégorie: