Hamburger de sarrasin

Portrait de Angie
1167

HAMBURGER DE SARRASIN - HAMBURGER DI GRANO SARACENO ( vegetarien)

asa hoe inona no mahasolo azy, fa manakaiky ny vary sy ny "cereale" izy ity fa tena mahasalama fa azo hamitahana ny ankizy avokoa moa mba hihinana zavatra hafa mahasoa, azo atao toy ity ihany koa ny tsaramaso, voanjobory, tsiasisa, kabaro, …

ZAVATRA ILAINA

Azo endasina na atao anaty lafaoro

150g grano saraceno (azo soloina vonnamaina: tsiasisa, tsaramaso, kabaro, sns
fromazy voakiky eto Parmesan
atody 1
sira sy dipoavatra raha tiana
“chapelure” na hoe poti-mofo
Menaka 2 sotro

FIKARAKARANA AZY:

Andrahoina ny “grano saraceno” amin’ny rano mangotraka mandifotra azy ary efa misy sira ka tokony eo amin’ny 30 minitra eo no masaka fa miankina amin’ny afo, tsihifina ny rano toy ny manao paty dia atokana avela hangatsiaka
Arotsaka ao ny parmesan voakiky, ary atody iray sy dipoavatra ampiana sira raha kely ilay tamin’ny nahandro azy ary farany ny potimofo sy ny menaka.
Afangaro tsara daholo hifandray tsara avokoa ny rehetra, volavolaina amin’ny tanana tsara raha lasa malemy loatra dia azo ampiana fromazy na koa potimofo dia atao izay bika tiana na boribory na fisapisaka.
Eto moa dia natao toy ny bikan’ny hamburger ka rehefa vita dia apetraka amin’ny mandeha lafaoro efa nasiana “papier cuisson” ary rarahana menaka kely.
mandrapahando

FAHANDRO AZY :

Lafaoro:
hafanaina mialoha 180° vao ampidirina ary avadika indray mandeha ka rehefa menamena avokoa dia vita( tokony ho masaka eo amin’ny 25- 30minitra eo raha tia mikarepoka sy maina.tsara fa miankina amin’ny lafaoro sy ny habeany)

Endasina:
Kapohana ny atody 1 dia asiana sira , atao amin’ny vilia kosa ilay poti-mofo
Hafanaina ny menaka betsaka dia ampandalovina anaty atody aloha ny “hamburger” vao alefa ao anaty poti-mofo dia endasina, avadibadika raha natao henabaolina mba hitovy ny fahamasahany. Eto kosa moa dia avadika indray ihany satria fisaka. Rehefa vita dia apetraka ambony “essui tout” na “emballage”mba hitsika ny menaka izay vao aroso mafana.

efa sakafo feno moa izy io tsy hoe laoka akory ka dia mahazo mihinana izay laniny ny kilonga
Mazotoa indray ary o

Ingrédients: 
Catégorie: