Gratin de riz

Portrait de Angie
360

GRATIN DE RIZ - VARY ANATY LAFAORO

ZAVATRA ILAINA:

vary,
poivrons (rouge, vert),
persil,
lardons,
sira,
dipoavatra,
"crème liquide",
atody,
fromazy. 

FIKARAKARANA AZY:

- Andrahoina ny vary
- Tetehana majinika ny poivrons sy persil.
- Ampangotrahana ny lardons.
- Rehefa masaka ny vary dia atao anaty lasitra ary asiana sira sy dipoavatra dia arotsaka ao koa ny poivons sy persil voatetika ary ny lardons dia afangaro tsara daholo.
- Maka bol dia atao ao ny "crème liquide" ary asiana sira sy dipoavatra ary ny atody, kapohana hifangaro tsara ireo dia arotsaka ao anaty lasitra misy ny vary , rarahana fromazy rapé, dia ampidirina lafaoro. 

FAHANDRO AZY:
- Four gasy:  30 mn eo . Raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany, ampidirina ny lasitra misy ny nahandro ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony. jerena matetika
- Four vazaha: 180 dgr, cuisson: 40 mn eo! 

FANAMARIHANA:
mila jerena matetika fa satria efa sakafo masaka ireo ka ny hampitambatra azy fotsiny no atao ka vao mahazo loko ny tapony dia vita

Mazotoa indray ary o 

nahandron'i Rojo Grondin 

 

Catégorie: 
Matériels: