Gaufres maivana

Portrait de Angie
1055

Miarahaba o, 
efa maro ny recette gaufre nozaraina ato fa ity kosa dia maivana kokoa ka dia zaraina am-pifaliana

GAUFRES (maivana)

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 160g
ronono mafanafana 200ml
tamenak'atody 4
lalovay simika 1 fonosana (11g)
menaka 4 sotrokely
siramamy 1sotro fihinanana
lavanila 1
tapotsin'atody 4

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro avokoa ny akora rehetra (afa-tsy ny tapotsin'atody) mba hahazo rihitra tsy misy mivaingana.

- avela hilona adiny 2 farafahakeliny. Na alina tontolo.

- Tapitra ny adiny 2, kapohana hisavovona handrotra fotsy ny tapotsiny ary afangaro moramora amin'ilay fangaro nalona (ity no tsiambaratelo mahamaivana ny mofo eto)
.
- Atao anaty "gaufrier" efa mafana mihosotra menaka kely amin'izay. Vetivety dia masaka fa aza ilaozana lavitra.

Sary sy nahandron'i Bonbon Mamibé - 08.08.17
Mazotoa o !

Catégorie: