Gateau roulé zebré

136

MOFOMAMY MIHORONA MISORATSORATRA - GATEAU ROULE ZEBRE

( ny ahy nataoko x2 ny fatra rehetra satria "goûter" nalefa tany am-pianarana)
 

ZAVATRA ILAINA :
atody 4
siramamy 120g
lafarinina 100g
maïzena 30g
sira 1 tsongo
sokola kely.

FIKARAKARANA :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C 10 - 20 minitra
- Sarahana ny tapotsin' atody sy ny tamavony
- Kapohana avy eo ny tamavony sy ny siramamy mandrapahazo loko somary fotsy. 
- Avy eo, alefa ny lafarina sy ny maïzena dia afangaro.
- Kapohana handroatra fotsy misavovona tsara amin'ny lovia mitokana ny tapotsiny asiana sira 1 tsongo (atao en neige)
- Avy eo, alefa tsikelikely amin'ilay fangaro voalohany ny tapotsiny efa voakapoka dia afangaro tsara.
- Mamindrà kely amin'ny lovia iray hafa, dia asiana ny sokola efa natsonika. Afangaro.
- Alaina ny "plaque" dia asiana "papier sulfurisé" na "emballage" fianarana zaitra, atao anaty "poche à douille" ilay fangaro sokola dia manao sarisary "zèbre" eo ambonin'ilay "papier" dia atsofoka anaty lafaoro 3minitra eo.
- Rehefa tapitra ny 3minitra, dia araraka eo amboniny ny paty fotsy ambiny, dia averina ampidirina anaty lafaoro 10minitra eo.
- Rehefa masaka dia avoaka ao anaty lafaoro
- Maka lamba somary mando dia ahorona ao ilay mofomay dia avela hangatsiaka.
- Rehefa mangatsiaka dia velarina indray ary hosorana lakirema na kaofitiora na "nutella" izay tiana (ny ahy io nutella no ao anatiny)
Dia averina ahorona tsara dia vita.

NB: ny fampiasana "maïzena" dia manalefaka kokoa ny paty, fa raha tsy misy dia soloina lafarina ihany, izany hoe : " raha tokony lafarina 100g + maïzena 30g, dia atao lafarina 130g "

Mazotoa o 

nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: 
Matériels: