Farro sy legioma

960

SAKAFO VEGETARIEN : LASARY LEGIOMA SY FARRO
 

ZAVATRA ILAINA 

- farro (efa masaka)
- Laisoa
- tongolo be 
- Karoty
- kotomila
- ampongaben-danitra
- karotin-tsoavaly (fenouil)
- sira
- dipoavatra
- menaka oliva
- voasary makirana 
 

FIKARAKARANA AZY 

- Sasana tsara ny farro dia andrahoina amin’ny ron-dasopy legioma mifangaro ka efa mangotraka io vao arotsaka toy ny mahandro vary ihany. ( ny ron-dasopy eto dia karoty, celeri, "poireau", korzety iray avy fa azo asiana akoho na hena izay tiana raha tsy vegetarien). Rehefa mangotraka fanindroany dia ahena ny afo ary avela hitanika eo mandrapalemy azy. Afaka atao betsaka dia ampidirina anaty "congelateur" dia mamoaka fotsiny rehefa mila amin'ny manaraka.
- sasana ary tetehina madinika ny laisoa sy karoty ary "fenouil" sy izay tiana atao fangaron'ny salady, avoaka ny voan'n ampongaben-danitra. 
-.maka bol dia asiana ranomboasary makirana sy menaka oliva ary ireo hanitra rehetra voatetika madinika : kotomila, tongolo be, tongolo maintso ary sira kely, tsy adino ny dipoavatra ary siramamy kely manome tsiro azy. 
- afangaro avokoa ny rehetra dia azo aroso

NB: azo ovaina vary ihany koa ny Farro

Mazotoa hatrany o

Catégorie: