Crumble de légumes du soleil

Portrait de Angie
1166

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina, 

CRUMBLE DE LÉGUMES DU SOLEIL 

Sakafo tsotra kely sady azo hohanina mafana na mangatsika ary mety tsara végétarien ihany koa

ZAVATRA ILAINA:

Korzety
Baranjely
voatabia
sakaibe (poivron)
tongolo gasy 
tonglo be (echalotte)

  • Crumble

50g lafarina
40 chapelure.
80g dibera malemy
40g fromazy voakiky (parmesan )

FIKARAKARANA AZY 

Tetehana madinika ny legioma rehetra fa tsy voasana afatsy ny tongolo be sy tongolo gasy
Endasindasina kely anaty menaka oliva
Apetraka avy hatrany ao anaty lasitra mandeha lafaoro

manao ny "crumble"  
afangaro ny lafarina, chapelure, dibera malemy ary ny fromazy voakiky 
Apetraka eo ambon'ny legioma 
Ampidirina haingana ao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ary raha vao miloko ny amboniny dia vita 

Nahandro sy sarin'i Niry Rafi - 26.09.18

 

Catégorie: