By Andry Rakotomavo
Croquette de pomme de terre
Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina
TSAKITSAKY : KROKETY OVY - Croquette de pomme de terre - "crocchè di patate" : specialité italien.
ZAVATRA ILAINA
ovy,
ronono,
sira,
dipoavatra,
tamenak'atody,
kotomila na izay zavamaintso tiana
dibera
Mozarella na fromazy no sesika ( azo asiana charcuterie raha tiana: jambon, mortadelle, salami...)
potimofo na "chapelure" (azo ovaina biscotte na koa corn flakes voatoto )
menaka fanendasana
FIKARAKARANA AZY
- andrahoina aman-kodiny ny ovy ka rehefa masaka dia potserina amin'ny sotro rovitra
- atsonika ny dibera
- atambatra daholo ny potsitr'ovy, ronono, sira, dipoavatra, tamenak'atody ary ny dibera mitsonika, farany ny kotomila voatetika madinika.
- Volavolaina atao boribory lavalava, vao lavahana hametrahana ilay mozarella na fromazy voatetika lavalava,.
- Hidina tsara ampandalovina anaty vilia misy potimofo
- endasina amin'ny menaka mandifotra azy amin'ny afo antonony ka rehefa vita dia atsika tsara hiala ny menaka .
- azo hohanina amin'ny salady
Fanamarihana:
Azo soloina rano ilay ronono, na atao antsasany rano antsasany ronono,
Azo atao anaty "congelateur" tsara ny "croquette" dia manendy fotsiny sisa .
Mazotoa o
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire