Cheesecake 1

557

CHEESCAKE

Zavatra ilaina

ho an'olona 6 :
"Fromage à la crème" 200 g
"Crème liquide entière" 20 cl
Siramamy 80 g
atody 2 
lavanila tahony 2
dibera (Beurre doux) 50 g
biscuit "Spéculoos" 120 g

FIKARAKARANA :
- Afanaina milaoh ny lafaoro 180°C (th.6) mandritry ny 10 minitra
- Asiana "papier sulfurisé" (mety koa "emballage") ny lasitra
- Afangaro ny "spéculoos" sy ny dibera ("mixer"-na raha robot fa afaka potehana sy afangaro amin'ny tanana)
- fenoina amin'io fangaro io ny sisiny sy fanambanin'ny lasitra dia atsofoka anaty vata fampangtsiahana avy eo.
- kapohana ny "fromage frais", arotsaka ny lavanila voakiky, arotsaka tsirairay koa ny atody, avy eo ny siramamy ary farany ny lakirema. Aroina tsara ary arotsaka eo ambonin'ilay biscuit avy eo ary alefa anaty lafaoro 180°C mandritry ny 20 minitra.
- Avela mangatsiaka aloha vao alefa anaty vata fampangatsiahana.
- Rehefa hihinana vao esorina anaty lasitra.

Mazotoa o 
Nahandron'i Ai Na

 

Catégorie: