Casatiello

641

SAKAFO MAHALEO TENA : "CASATIELLO na Tortano"

"spécialité napolitain" fihinana ny paka sy alatsinain'ny paka ;
miova anarana hoe "tortano", raha toa ka ny ao anatiny dia atody masaka efa voateika fa tsy tsy manta toy ny ataontsika eto

 

ZAVATRA ILAINA

raha lehibe no atao:

 

  • ho an'ny pate:

1kg lafarina

25g lalovay labiera, na 1 sachet lalovay (lévure Saf Instant),

1 boaty yaourt ny menaka oliva.

sira kely , dipoavatra

rano matimaty

atody raha tiana (izahay tsy nanisy )

 

  • Ho an'ny sesika:

 

400 gr. "fromage de chevre" na hoe "pecorino" (na karazana fromazy no afangaro: parmesan, emmenthal, fondu, sns)

400 gr. charcuterie izay tiana ; saucisson, jambon , mortadelle sns

sira kely , dipoavatra

 

  • Haingony :

 

Atody 5 voasasa sy voamaina tsara 

 

FIKARAKARANA

 

-levonina anaty rano mafana ny lalovay (tsy rano mamay an ).

- Atao ambony latabatra ny lafarinina dia lavahana eo ampofovany ary atao ao ny menaka, sira, dipoavatra, lalovay volavolaina ary atody raha asiana dia ampiana rano matimaty raha tsy ampy ilay rano nisy lalovay mandrapahatonga azy rehetra mitambatra tsara ho paty, ka mila kapokapoana dia avadibadika io pate io mandritria ny 10 mintra eo avy eo

- Atao boribory dia fonosina lamba mba tsy hiraikitra amin'ny latabatra dia avela hipetraka eo amin'ny adiny 2 eo amin'ny toerana tsy mangatsiaka. Hitombo ho avo roa heny izy avy eo.

- Karakaraina amin'izay ny fangaro izany hoe tetehina madinika daholo ny "charcuteries" sy fromazy

 

- Rehefa nitombo ny pate dia maka kely amin' io dia atokana aloha atao lavalava , ary rarahana lafarinina mba tsy hitambatra.

- ny ambiny pate kosa da averina kapohia kely izany hoe rarahana lafarina indray ny latabatra dia velarina fisahana amin'ny "rouleau" na tavoahangy 1 cm eo ary atao lava.

- Rehefa mivelatra tsara dia araraka eo ambony daholo ny sesika ary atao mahitsy tsara

- Ahorona moramora ny paty atao izay farany maha tery azy nefat tsy rovitra

- maka lasitra ka ny tena fampiasa dia ilay misy goaka eo ampovoany avy eo, ka osorona menaka tsara aloha dia rarahana lafarina dia esorina izay mihoakatra.

- apetraho anaty lasitra amin'izay ilay pate efa navalona toy ny tsihy ka dia ampifandraisina tsara ny lohany roa mba tsy ho tapaka, dia avela hipetraka ora 2 eo indray aloha hitombo ka saromana lamba madio

- Rehefa miakatra tsara izy avy eo dia apetraho ilay atody 5 somary tsindrina moramora mba hitsatoka mielanelana dia asio ilay paty natokana efa voadidy lavalava ery ambony mba hitazona ny atody atao X (ny ahy eto tsy misy fa hadino ny nanala pate kely )

 

FAHANDRO AZY

 

Hafanaina mialoha matritry ny 15 minitra eo ny lafoaro ka atao 160° rehefa mafana tsara dia ampidirina ny lasitra ary atao 160° eo amin'ny 10 min avy eo akarina 170°-180° tokonyho ora 1 no fitambaran'ny fandrahoana azy

 

NB : esory ao anaty lasitra rehefa matimaty ary azo hohanina mafana na mangatsiaka

 

matetika ny lalovay rehefa misy zavatra matavy ao anatiny dia tsy miasa tsara ka tsara raha atao indray andro mialoha ilay paty

 

mazotoa ary o
 

Catégorie: 
Matériels: