Buche de noel

836

BUCHE DE NOEL
Ho an'olona 6 

PATE A BISCUIT no ampiasaina (fototry ny biscuit roulé rehetra)
Ilaina ho an'ny biscuit nature :
atody 4
siramamy 125g
lafarina 125g
hanitra lavanila (tsy voatery)

*** raha "biscuit au chocolat" toy ny amin'ny sary dia ampiana cacao 3 sotro fihinanana

Ho an'ny lakirema " ganache" :
chocolat noir (de couverture) na izay mba tsara 200g
crème liquide 200 - 250 ml
dibera 50 g

Ho an'ny "sirop" :
rano 100 ml
siramamy 150g
hanitra izay tiana (alcool, arômes...).

Fikarakarana azy :

1) Pâte à biscuit :
- Sarahana ny tapotsiny sy ny tamenak'atody : alaina ny tamenany dia arotsaka ny siramamy ary kapohana mandra-pahalevon'ny siramamy (somary lasa fotsy ny fangaro). Kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny. Alefa ao amin'ny fangaro teo aloha ny antsasany dia afangaro moramora amin'ny "fouet" (tsy kapohana). Arotsaka ny antsasany ambiny dia atao izay hifangaroany amin'ny paty, ezahana tsy ho potika ireo "bulles".

- Arotsaka afafifafy (tsara raha mampiasa pasoara) avy eo ny lafarina, atao indroa mandrotsaka. Dia "spatule" no hampifangaroana azy. Moramora hatrany. Eto koa no harotsaka ilay cacao (raha biscuit au chocolat toy ny amin'ny sary, izany hoe miloko marron ny biscuit rehefa vita)

- Alefa amin'ny plaque efa nasiana papier cuisson ny paty, aparitaka manify tsara amin'ny spatule, dia alefa anaty lafaoro 180°C na 200°C eo amin'ny 10 na 15minitra eo.

- Rehefa masaka dia afindra ambony "torchon" nolemana ary nofihazana ny mofomamy, esorina ilay "papier cuisson". Somary anesorana ny sisin'ny mofomamy ahazo mahitsy tsara. Rehefa izay, dia lemana amin'ny "sirop" efa voahomana (afangaro fotsiny ilay rano sy siramamy ary hanitra) dia ahorona haingana (tsy gejaina be an !

2) GANACHE :
Atsonika ny dibera sy chocolat, aroina tsara tsy hitambaingana. Avela hangatsiatsiaka.
Kapohana ny crème ho lasa chantilly. Alefa ao avy eo ilay chocolat teo dia afangaro. Vonona.

Fanambarana :
- Rehefa vonona ny lakirema, dia vahana moramora ny biscuit, hosorana lakirema dia ahorona tsara sy somary terena amin'izay, fonosina amin'ny "torchon" ihany dia atao anaty vata fampangatsiahana 30 minitra eo.

- Afaka 30 minitra, avoaka avy ao (aza taitaitra raha somary mitresaka ilay mofomamy fa saron'ny lakirema iny avy eo). Hosorana lakirema ny ivelan'ny mofomamy.
- Handidiana kely somary misopirana ny lohan'ny mofomamy dia apetraka eo ambony hanome toy ny hazo voatapaka. Rangotina amin'ny sotro rovitra ny mofomamy avy eo. Ary haingoana arak'izay tiana.

Mazotoa mampihatra, manaova fety sambatra.

Sary sy nahandro natolotr'i Vero Randriam

 

Catégorie: