Beignets d'As

75

Beignets d'As

A ohatran'ny hoe: Aubergine!
S ohatran'ny hoe Saosisy!
Ampiarahina dia tsy maninona,
Saucisson atao raha sendra tsy misy!

Alaivo ny salade mifangaro,
Alamino ao anaty lovia
Poivron maitso, mavo, mena mifangaro,
No entina ampihaingoana azy ity!

Tetehina aloha ilay aubergine,
Iray santimetatra eo ny hateviny,
Ny saosisy izay ao anatiny tsinona,
Atao latsak'izay indray ny refiny!

Avy eo samy atao amin' ny toerany,
Eo afovoan' ny aubergine ny saosisy,
Lafarinina sy atody tsy ferana,
Atao lakaoly satria io no tsy misy!

Kapohina sy afangaro ireo,
Asiana sira sy poivre kely avy,
Dia atsoboka ao avy eo ry zareo,
Ary arotsaka ao anaty lapoaly!

Rehefa ilay mendimendy iny tsara,
Dia apetraka ambony taratasy,
Mba hiala ny menaka ary,
Mba tsy hitsonika k'ampisy tasy!

Alahatra tsara izay vita,
Ampihaingoana ao anaty lovia,
Toa hitako sahady ry Lita,
Milela-tanana sy mankafy!!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: 
Matériels: