Bananawa moelleux au chocolat

1175

Salama daholo!

 "BANANAWA MOELLEUX AU CHOCOLAT"

Nahandro atolotry ny CFP Mi-Avaka, izay hitantsika tao amin'ny Kolo TV niaraka tamin'i Chef Herydoudh Rakotoasimbola nandritra ilay émission : tables de Mada!

ZAVATRA ILAINA: 

- siramamy 200 g ho an'ny caramel
- Akondro 1 kg  ( amin'ilay ngeza tsara)

Moelleux au chocolat:
-  sokolà 200 g de chocolat
- lafarina 150 g 
- dibera 150 g 
- atody 4 
- siramamy 75 à 100 g 
- lalovay simika1 sotro kely( levure chimique)

FIKARAKARANA AZY:

- manao tamberina (caramel) : atao anaty lasitra ny siramamy mandrapaha tonga azy ho sirop mena tsara
- Avela hangatsiaka;
- tetehina manaraka ny lavany ny akondro dia alahatra ao anaty lasitra avy eo;
- karakaraina toy ny manao génoise na cake ilay "moelleux au chocolat" :  
- atsonika "bain marie" ao anaty bol ny sokolà  sy dibera ka notapatapahana izy ireo ary harona mba hitsonika 
- kapohina ny atody, arotsaka tsikelikley ny siramamy, ny lalovay, kapohina hifangaro tsara dia arotsaka ny lafarina
- afangaroina tsara izy rehetra avy eo araraka eo ambonin'ilay akondro;
- ampidirina ao anaty lafaoro mafana 180 °C mandritry ny 30 minitra
- raha vao masaka dia avoaka avy hatrany anaty lasitra eo ambony lovia.

Mazotoa ary manandrana ary afaka mizara izany izay mahavita 

FANAMARIHANA 

Ho an'izay te hahita ny vidéo dia tsidiho ny fandaharana tables de mada tao amin'ny Kolo TV. 
Ao amin'ny CFP Mi-Avaka moa dia mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana sy fandraisana mpianatra amin'ny seha-piofanana:CUISINE-PÂTISSERIE -SERVICE TRAITEUR! Mampanao ihany koa cours spécial na particulier izy ireo ka aza misalasala mitsidika ny pejy  na miantso  034 85 382 81/034 14 851 53 (Tsiazotafo)

Mankasitra ny CFP Mi-Avaka nanolotra ny nahandro (06.03.2019)

Mirary soa 

Catégorie: