Baci perugina light

1172

SOKOLA ITALIANA : "Baci perugina" 
 

Mora atao sady tena maivana kokoa ity satria sokolà mainty no ampiasaina ka dia mahazo mihinana avokoa. 

 

ZAVATRA ILAINA

 

ho an’ny sokolà 15

170g “noisette voatoto” na voanjo

90g sokola mainty “chocolat noir de Madagascar” 70%

30gr siramamy mena na siramamy voanio (sucre de coco)

vovoka cacao mainty 2 na 3 sotro kely

menaka oliva 2 sotro fihinanana

Hamonosana azy 180g sokola mainty 75%

noisette na voanjo tsy voatoto 15 isa eo

 

FIKARAKARANA AZY

 

- Atao anaty bol ny totoboanjo na noisette ary arotsaka ny vovoka cacao dia afangaro.

- Atao “bain marie” ny sokola, siramamy ary menaka oliva dia araraka ao amin’ilay fangaro voalohany dia afangaro tsara

- Volavolaina ny sokolà ary apetraka ambony taratasy fampiasa anaty lafaoro “papier cuisson”

- Asiana noisette iray na voanjo eo amboniny dia somary tsindrina kely hiletika kely

- Ampidirina anaty “congelateur” mandritra ny 10 na 15 minitra eo

- Mandritra izay dia mikarakara ny sokola hamonosana azy : atao bain marie indray ny sokolà

- Arotsaka ao anaty sokola nitsonika mafana io ny sokola efa mivaingana kely avy ao anaty “congelateur” ary dia apetraka ambony “grill” kely aloha raha manana mba ho tatavanina dia averina ao anaty “congélateur” indray mandritra ny 10 minitra eo dia vita.

- Ampidinina ao anaty “vata fampangatsiahana

 

Azo soloina "chocolat au lait " raha tsy tia "chocolat noir"

 

Mazotoa o 

 

Ingrédients: 
Catégorie: