Atody hafa kely

993

"ATODY HAFA KELY !"

Ataovy masa-drano ny atody anankiroa,
Aza tonga dia voasana, f'ampangatsiaho aloha!
Kapohy anaty baolina ny atody roa hafa,
Asio sira mba hatsiro fa raha ts'izay tsy tafa!

Alaivo biscotte efatra dia koseho ho potika,
Tsy mila laona akory fa tavoahangy dia rotika,
Ampadalovy ao anatin'ilay atody voakapoka,
Ilay atody masaka voavaofy, aza hakarapoka!

Rehef'zay dia rakofy an'ilay potika biscotte
Dia atsobohy @ menaka mafana anaty cocotte!
Rehefa mendy d'ataovy anaty lovia voaravaka,
Ka toy izao no anaovanao azy rahavako!

Ilay vovoka biscotte sy ambin'atody afangaroy,
Avy eo endaso ka ny endriny aza asiana rohy,
Ataovy lafika io, dia asio persil ilay modely,
Dia jereo fa tsara erý ilay ATODY HAFA KELY !

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Ce 26/04/2017

Catégorie: