Atidohan-kena sy paty

Portrait de Angie
1085

PATY  SY ATIDOHAN-KENA - 

ZAVATRA ILAINA:

Paty izay sahaza
atidohan-kena
tongolo be
sakamalaho
kotomila
Voatabia
tongolo gasy
menaka oliva
sira

FIKARAKARANA AZY:

- Andrahoina bolongany 30 minitra eo amin’ny afo malefaka ny atidohan-kena rehefa nesorina ilay hodiny manify iny ary asiana tongolo be sy sakamalaho voatetika.
- Asiana menaka oliva ny lapoaly dia manao saosy voatabia sy tongolo gasy ary tongolo be, arotsaraka ao ilay  atidohan-kena voatetika ary avela haka tsiro kely elaela
-Ampangotrahana ny rano dia asiana sira , arotsaka ny pate ary tsy atao malemy be fa “al dente” dia tatavanina ary arotsaka ao anaty lapoaly dia afangaro tsara
Aroso mafana ary rarahana kotomila voatetika madinika

FANAMARIHANA 

Tandremo fa tsy mety ho an'ny olona misy cholesterole ny atidohan-kena 

 

Nahandro sy sarin’i Niry Rafi 09.12.2017

Ingrédients: 
Catégorie: