Amuse bouche varié

442

AMUSE BOUCHE: CONCOMBRE AU FROMAGE, OEUF COLORE, TOMATE FARCI

Concombre au fromage:

concombre tanora no ampiasaina, kikisana hiala ny didiny amin'ny vodiny sy ny lohany dia sasana, tetehina tokony ho 3 cm eo ny halavany, loarana amin'ny sotrokely moramora ny atiny dia hosorana sira, ahohoka hitsika ny ranony. Potsehina tsara ny fromage blanc dia ampiana totona tongolo gasy sy totona tongolo maitso, ampiana ranona voasary makirana kely sy sira. Io no atao anaty poche à douille dia atao ao anatin'ilay concombre

 

Oeuf coloré:

Andrahoina amin'ny hodiny ny atody, mandrampiandry izay dia manomana loko amin'ny vilia baolina kely, raha maitso dia persil no mixer-na, raha mena dia betrave, raha mavo dia tamotamo azo ampiasaina koa ireo colorant fatao amin'ny creme gateau. Afaka 10mn dia masaka ny atody, alefa anaty rano mangatsiaka dia voasana, silahana roa manaraka ny lavany dia esorina ny tamenany, rehefa izay dia alefa ao anatin'ilay lovia misy ranona loko ilay silaka atody mandrampanomana ny atiny; potserina ilay tamavony nasorina dia andrarahana yaourt nature tsikelikely toy ny manao mayonnaise, asia sira sy moutarde kely, io no atao anaty poche à douille dia asesika amin'ny atody

 

Tomate farci:

esorina ny voany dia ilay farce tamin'ny concombre ihany no atao farce-ny

Dia mirary soa hatrany e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: