Akondro mamy marikivy

970

TSINDRIN-TSAKAFO – DESSERT :  AKONDRO MAMY MARIKIVY - BANANE AIGRE DOUX – “BANANA IN AGRO DOLCE” en italien

Raha mba te hiova indray amin’ny voankazo amin’izao dia azo  atao “banane flambée” na koa ity “banane aigre doux” ity.

ZAVATRA ILAINA

Akondro 2 
ranomboasary makirana 1  
ranomboasary 1
dibera 60 gr
siramamy mena 60 gr
rhum raha tiana
 

FIKARAKARANA AZY

tetehana boribory na misopirana ny akondro ary alona ao anaty ranomboasary makirana sy voasary.
Arotsaka ao anaty lapoaly ny dibera sy ny siramamy dia avela hiepo tsara amin’ny afo malefaka ary haroina tsara.
Arotsaka ny akondro sy ny ranomboasary. Raha tiana dia ampiana rhum kely ka rehefa somary lasa marihitra dia vita.

Aroso miaraka amin’ny nutella na chantilly na glace miammmm
Mazotoa o 

Catégorie: