Akoho sesika

776

Akoho sesika

Ireto no zavatra ilaina
Raha toa ianao ka tsy malaina,
Akoho iray lehibe
Henakisoa matavy be.

Atody masaka roa na telo isa
Ireo ravi-manitra tsy voatanisa
Izay tianao mety daholo,
Thym, persil na koa tongolo...

Fanosehana, fanjaitra kofehy,
Ary vilany mba lehibebe.
Dia toy izao ny zavatra atao
Raiso an-tsoratra raha tianao:

Alaivo ilay akoho efa voadio
Ka eo anivon'ny vatany didio,
Dia esory ny anatiny rehetra
Taolana, nofo, tsy misy fetra.

Fa aza esorina kosa ny helany
Ary koa ireo foto-pehany.
Dia esory daholo izay nofony
Dia totoy ho lasa potipotiny.

Rehefa vita toto dia lanjao,
Ka ny henakisoa indray karakarao,
Ataovy mitovy lanja @ potik'akoho
Dia totoy toa azy koa.

Ary fangaroy daholo amin'izay
Asio, dipoavatra koa mba hamay,
Dia aseseho ao @ hoditr'akoho
Ataovy afovoany ny atody telo na roa.

Dia zairo @ izay mba hitambatra
Ataovy tsara f'aza miambatrambatra,
Ary apetraho anaty vilany,
Asio rano mandifotra azy ihany.

Dia ahandroy @ afo antoniny,
Mba hitazona tsara ilay fonininy.
Toy izao izy rehefa vita, 
Toy ny laokan'ny mahitahita.

Dia mazotoa homana daholo,
Na tanora na ny fotsy volo,
Fa laoka tsisy taolana izy ity,
Na ny zaza aza mety handihy!

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Anio 25/05/2016

Catégorie: