Vahona

Portrait de Angie

VAHONA

Ny 98 isan-jato ny vahona dia rano, ahitana ireto vitamina manaraka ireto izy:
-vitamine A,tsara sy manamafy ny taolana ary ny maso 
-Vitamine c,manala poizina sy manome hery sy tanjaka 
-vitamine d,manamafy ny kalsioma ary tena be otrik'aina tokoa ity vahona ity.
tsara ho an'ny olona manana olana amin'ny fandevon-kanina sy rehefa mety ho aretin'ny tsinay ihany koa, ary manala rivotra ao anaty 
-manala sy manampy amin'ny rari-tsaina 
- manadio sy mamono ny poizina ary manavao ny sela ao anatintsika tsy miasa ireny.
- tsara hoanin'ny olona voan'ny homamiadana,misoroka sy manampy ireo olona izay misy io aretina homamiadana io.

Fomba hihinanana sy hikarakarana izany vahona izany.

vahona maintso tsara ,mety daholo na lahy na vavy,sasana tsara ka toy izao ny fanaovana azy.Maka vahona,sasana madio tsara,ary tetehina dia mixena,tsy misy very fa hatramin'ny hodiny,atao ao anaty tavoahangy vera ny fitehirizana azy.

- Manatsara ny hoditra, manasitrana ny May, fery, Mony. Manatsara Volo. Ary tena maro tokoa ny aretina sitrany any anaty any :

  • hoditra manokana: hosorana toy ireny manosotra krema ireny rehefa avy mandro,mahafaka mony,fery,may,ary mamelombelona ny hoditra mba ho tanora lalandava sy mampamirapiratra ary manala tratrakaotra sy tasy.
  • volo:alaina iny ditiny iny dia hosorana amin'ny hodi-doha,amin'ny foto-bolo(manala angadrano,vakivaky ary manalefaka ary afaka atao solona gel ihany koa.
  • Aretina anaty na inona inona na, na tsy marary aza ,ary manome hery: Totoy miaraka amin'ny hodiny ny vahona, ka raha mahazo 1 vera+tantely 1 vera +whisky 1/4 Vera. Atambatra ireo amin'ny tavoahangy vera. Afaka 5 andro. Misotro 1 sotro vao maraina.

Maka amin'ilay ranona vahona efa avy mixena iny koa dia maka 1 sotro lehibe dia atao ao anaty yaourt na ranomboakazo na rano 1 vera, indray mandeha isan'andro ihany no hihinanana azy.

Ny tsara homarihina dia tsy afaka mihinana azy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy ary ireo olona izay mihinan-panafody.

DIA MIRARY SOA ANTSIKA HATRANY

NY RADIO TANA fb

Type: