By Andry Rakotomavo
Mofo menakely 2
Submitted by andry on Mon, 02/09/2015 - 01:05
39
Mofo menakely
Zavatra ilaina:
Lafarina 400g,
Kobambary 400g,
Siramamy 400g,
Ronono 400 ml,
Rano 300ml
Lalovay simika 1 fonosana,
Atody 4 ,
Fikarakarana azy
afangaro daholo ireo zavatra ilaina ireo, tsy atao mitsiranoka be, no tsy atao madity loatra koa,
avela hipetraka, izany hoe alona sady saromana lamba fara fahakeliny ora iray!
Endasina tsy atao be ambilany ary rehefa mandraraka azy ao anaty lapoaly dia raisina amin'ny sotrobe dia ahodina boribory.
mazotoa ndray aza ee
de Soa Bonheur
Catégorie:
Heviteny
Mampilendalenda izy izany...
Mampilendalenda izy izany...