Godrogodro vermicelle au coco

Portrait de Angie
1131

SAKAFO MARAINA NA ODY AM-BAVA FO : GODROGODRO PATY SY VOANIO – Vermicelle au coco

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina 
gouter mora atao indray izy ity ary mety avokoa na misy lafaoro na tsy misy koa mazotoa

ZAVATRA ILAINA:

voanio lehibe 1,
rano 2 litatra
siramamy 330g : ka 80g ho an'ny tamberiana (caramel) ,250g ho an' ny godrogodro ,
vermicelles 500g
menaka 2 sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY :
Manao ronono voanio : rehefa voakiky ny voanio dia atao anaty rano mafana ary fihazana amin’ny lamba manify madio mba ahazoana ronono ( rano 2 litatra )

Manao tamberina :Atao ambony afo malefaka ny vilany misy ny siramamy mba hahazo loko ohatry ny caramel “marron” na araka izay loko itiavana azy na matsatsotsatso na marron be

arotsaka ao ny ronono voanio 2 litatra, arotsaka koa ny siramamy 250g , atao ambony afo ary raha vao mitady angotraka dia arotsaka ny paty vermicelles, haroina mandrapaha ritra ary mba tsy hiraikitra
Etsy andaniny , manomana vilany iray voahosotra menaka na dibera ka rehefa ritra tsara ny nahandro dia arotsaka ao amin’ilay vilany efa vonona
Rararahana menaka eo ambony ary lalorina mba halama tsara

Avadika ny takotra ka asiana afo eo ambony dia averina ambony fatana ka afo kely zara raha misy no atao ao ambany

Avela ao mandrapaha masaka azy ka dia ahohoka fotsiny ny vilany rehefa mangatsiaka izy

FANAMARIHANA

- Azo soloina ronono voanio efa vita amin’ny boaty raha tsy misy voanio na koa rano sy ronono mandry mamy (nestlé)

- azo atao lafaoro ihany koa izy ity fa 180°C mety ampy azy ny 30 minitra fa mila jerena.
- Azo asiana lavanila na koa voanio mba hanome tsiro bebe kokoa, afaka tsindronina amin’ny antsy rehefa tsy manaraka dia masaka izay. 
- Avela mangatsiaka dia ahohoka hivoaka

Mora atao fa dia mazotoa manandrana o

Nahandro sy sarin'i Fanirizo Arimalala 18.04.2018

Catégorie: