Caramel beurré salé

904

" CARAMEL BEURRE SALE"

ZAVATRA ILAINA:

siramamy mavokely (sucre blond) 100g
dibera voatetika efamira 50g
crème liquide 200ml
Fleur de sel d'Ifaty 1/4 sotrokely

FIKARAKARANA AZY

- Maka casserole na vilany matevina, dia atsonika ao ny siramamy, afo antonony no ampiasaina

- Afanaina kely ny crème liquide (30segondra raha anaty micro onde)

- Bataina hiala ambony afo ny casserole, araraka in- 3 miantaona ao amin'ny siramamy efa nitsonika (caramel) ilay crème nafanaina teo, sady aroina mafy eny anelanelany.

- Averina ambony afo indray, dia tohizana kapohana amin'ny fouet mandra-pahatevin'ny saosy

- Arotsaka miandalana ao ny dibera voatetika, ary amin'ny farany ny fleur de sel. Atao anaty bocal dia vonona.

Fanamarihana : 

- Afaka tehirizina 3 herinandro eo anaty vata fampangatsiahana.
- Ahosotra ny mofo na atao anaty mofomamy isan-karazany (crêpe, tarte, macaron, sns...toy ny mampiasa "nutella" ihany

Mazotoa o !

 nahandron'i Lova Petit Rama (Graine de faim kely)

 

Catégorie: