By Andry Rakotomavo
Salady mozzarella sy voatabia
Submitted by Andry Mamina on Tue, 01/03/2017 - 11:12
841
SAKAFO MAIVANA : SALADE MOZZARELLA SY VOATABIA ARY KOKOMBRA:
ZAVATRA ILAINA:
Mozzarella
Pesto
Kokombra
tongolo be (échalotte)
saosy :afangaro ny menaka oliva sy vinaingitra balsamika (balsamique de Modène eto)
dipoavatra
sakaibe (poivron)
sira
FIKARAKARANA AZY
1) alana ny hoditry ny voatabia dia tetehina
2 ) sasana tsara dia voasana mielanelana ny kokombra mba hanome bika azy dia tetehina boribory
3 ) didina ihany koa ny mozzarella
Apetraka ambony vilia araka izay paozy tiana
Asiana saosy vinaingitra ao ambany vilia dia avy eo alahatra ny voatabia, mozzarela ary ny kokombra, pesto ary "groseille".
Jereo ato ny fanaovana pesto
mazotoa o
nahandron'i Niry Rafi
Catégorie: