By Andry Rakotomavo
Salade verte et crouton
Sakafo maivana: salady maintso mifangaro
ZAVATRA ILAINA:
Salady maintso
Fromage de chèvre
Pesto
"Crouton"
Harikovera
voatabia maina
Cure dents
Saosy :afangaro ny menaka oliva sy vinaingitra balsamika, tongolo be voatetika (échalotte)
dipoavatra ary sira
FIKARAKARANA AZY:
1)arotsaka anaty rano mangotraka 10mn ny harikovera
2 ) manao masikita kely amin'ny "cure dent2 : "fromage de chèvre"/ voatabia maina
3) manao "crouton" : tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny
4) apetraka ambony "crouton" pesto
5) Asiana saosy vinaingitra ao ambany vilia
6) apetraka salady maintso, ny masikita na "brochette de chèvre" ary ny "crouton sy pesto"
Fanamarihana :
1. refa masaka ny harikovera tonga dia arotsaka anaty rano misy "glaçon" dia maintso tsara ny lokony, ary ny atin'ny salady ihany no ataoko dia mikarepoka tsara izy.
2. ny legioma ampiasana rehetra dia izay amin'ny fotoanany ihany na hoe "légumes de saison" ary bio ny ahy. Izaho manokana dia tsy manao ireo salady ireo rehefa ririnina ny andro.
Jereo ato ny fanaovana pesto
Mazotoa ary
Am- pitiavana foana
nahandron'i Niry Rafi