By Andry Rakotomavo
Hazo noely saosisy
Submitted by andry on Sat, 02/04/2017 - 09:03
889
HAZO NOELY SAOSISY
ZAVATRA ILAINA
Pate feuilletée 1 efa vita
atody 1
saosisy lehibe 3 (wurstel)
FIKARAKARANA AZY
Velarina ny “pate feuilletée” ary apetraka ny saosisy dia fonosina toy ny tsihy ary atao mitambatra tsara mba hipetaka tsara
Tetehina avy eo tokony 1,5sm na 2 sm eo dia manao sary hazo noely alahatra ambony lasitra efa nasiana taratasy mandeha lafaoro na hoe “papier cuisson”.
Kapohana ny atody dia lalorina tsara ny hazo noely mba hitambatra sy ho mena tsara avy eo
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C,15-20 minitra eo rehefa menamena tsara dia vita.
NB: somary mibotsina izy ity rehefa ao anaty lafaoro fa rehefa vita dia mihena ihany
Mazotoa o
Andry Mamina
Catégorie: