plat

Salady legioma

 Salade légumes

 
Zavatra ilaina :

-concombre kely,

- tongolo be kely ,

- tongolo gasy 1,

- voatabia 2 antoniny ,

- sakaibe (poivron) mena sy maintso ary mavo

- persil,

- voasary makirana ,

- menaka,

- siramamy

- sira

Fikarakarana azy:

Sasana tsara avokoa ny legioma

- tetehina madinika rehefa avy nosasana tsara (decontamineé),

Oeuf dur décoré

Oeuf dur décoré

zavatra ilaina :

atody, tantely, ketchup, romarin, crevette, saumon, pousse de soja, salade.

fikarakarana azy 

Nandrahoina ny atody, novoasana dia nozairaina roa

ny antsasany nalana ny jaune ary antsasany navela,

ny nanaovako an'ilay nalana dia nafangaroko tamin'ny tantely sy ketchup ary romarin dia naverina teo ambonony ihany dia nasina crevettes kely teo amboniny

ny iray dia nasiana nofona saumon sy crevettes kely koa

mofo goavy

zaraina ampifaliana indray ity gouter ity fa misy maro no tia goavy , sady mora no mahasalama tokoa izany

mofo goavy na roulé de goyave 

afaka tao amin'ny pain de mie , na koa genoise fanao amin'ny buche de noel na koa raha tena te hisahirana bebe kokoa dia amin'ny pate feuilleté 

ny ataoko eto dia amin'ny pain de mie 

Maka pain de mie lehibe iray dia didiana manaraka ny halavany fa tsy sakany, tokony ho 2-3 cm eo,

atao ambony latabatra dia dia somary kosehana tavoahangy na rouleau kely ho fisaka kokoa ary hitambatra tsara ny nofony.

Bûche de Noël salée

Bûche de Noël salée

Avereno kely indray mandeha,
Hoy ilay olona izay !
K’aza avy ianao hilaza hoe :
Ohhh ! efa hitanay !!!

Sakafo faran’izay tsotra
Nofon-trondro efa nahandroina
Sy ovy masaka voapotsitra
Mety koa raha nototoina !

Afangaro izy ireo
Dia asiana mayonnaise koa,
Atao sary hazo avy eo,
Dia amboarina ho soa !

Ilay sary hazo asiana tonony,
dia atao malama tsara,
Ary hosorana mayonnaise indray eo amboniny,
Dia soritana @ fourchette ho makarakara !

Mofo kely apperitif

MOFO KELY APPERITIF

Rehefa indray andro iny
Tsy ampoizinao ny vahiny,
Dia aza maka sarotra 
Mandehana any @ mpivarotra :

Dia ireto no vidio
Ny anarany tadidio :
Saumon sy surimi
Betterave sy voatabia

Crème fraiche sy œufs de lompe
Kely fotsiny dia ampy
Ary fromage frais,
tsy atao be dia be ! 

Concombre sy tarama
Ary dia homano ny plat!
Rehefa azo ireo
Dia afangaroy na teteho

Beignets d'As

Beignets d'As

A ohatran'ny hoe: Aubergine!
S ohatran'ny hoe Saosisy!
Ampiarahina dia tsy maninona,
Saucisson atao raha sendra tsy misy!

Alaivo ny salade mifangaro,
Alamino ao anaty lovia
Poivron maitso, mavo, mena mifangaro,
No entina ampihaingoana azy ity!

Tetehina aloha ilay aubergine,
Iray santimetatra eo ny hateviny,
Ny saosisy izay ao anatiny tsinona,
Atao latsak'izay indray ny refiny!

Saint Valentin

Saint Valentin 

Lasa aloha izy ity ry zavavy!
Tsy maninona satria tena favy
Elle ne ressemble à rien, 
Mais c'est pour le saint Valentin!

Raha Jerenao tsara izy ity
Dia loham-behivavy ao anaty lovia!
Mitsiky sy toa miramirana
Ny volo sy vavany akondro mihorirana.

Pomme sy paiso ny sofina sy masony
Pomme mena ny orona sy volomasony
Raisins secs no nataoko kaviny
Mandarine roa no raviraviny!

salade de fenouil 1

 indray ity izay tia ô!
- Alaina ny fenouil efa voadio tsara dia fisafisahana @ halavany
- atao ao anaty saladier dia raharahana jus de citron, ampiana sira sy poivre kely dia avela hilona 15 na 20 mn
- alahadahatra tsara anaty plat boribory
- ny sisan'izay : cervelas, atody Masaka, carotte râpée, mozzarella sy tomate cerise ary ravina oignon blanc voatetitetika arak'izao hita amin'ny sary izao!

Mazotoa homana ê!

recette de Holinirina Ramanankasina 

 

S'abonner à plat