Yaourt triple crème

Portrait de Angie
1071

YAOURT TRIPLE CREME - VITA AN-TRANO (VOVO-DRONONO
Yaourt avec du lait en poudre (triple crème).

ZAVATRA ILAINA
Vovondronono 225gr. 
Siramamy 225gr. 
Rano 2,25L. 
Yaourt nature 1. 
Vache qui rit 4. 
Mora tadidy ny fatra satria mitovy daholo.

FIKARAKARANA AZY
Ampangotrahako miaraka ny ronono sy rano ary siramamy. Raha manana mixer ianao dia mixé- o ny ronono, fa raha tsisy dia ampangotraho elaela kely lay ronono. Rehefa mampangotraka azy dia aza atao mahery loatra ny afo sady haroharoy matetika mba tsy ho may lay vovoka ronono any ambany.
Avelao ho matimaty ny ronono rehefa avy nampangotrahana. Mba azahoanao erotra dia aza kitihana mihitsy ny ronono rehefa avy nampangotrahana fa avelao amin’izao. Mandritra ny fotoana iandrasanao ny ronono ho matimaty dia karakarainao ireto zavatra ireto.
Vache qui rit + Yaourt. Potsero tsara ilay fromazy hifangaro amin’ny yaourt. Mahazo erotra ronono ianao rehefa navelanao nangatsiatsiaka ilay ronono. Alaivo io erotra io. Afangaroy @ ilay yaourt sy fromazy. Kapohy tsara hifangaro. Rehefa mahazo maripana mitovy amin’ny rano hampandrona zaza ianao izany hoe zakan’ny ankihikely amin’ilay ronono dia arotsahy @zay ilay fangaro nakapohana teo. Zarazarao amin’ny pot ary fonosy bodofotsy matevina mandritra 6-8h de temps.

FANAMARIHANA : 
-Yaourt + vache qui rit + erotra ronono. Zay no maha triple crème azy.
- fadio tsy hangatsiaka ilay ronono vao fonosina fa tsy mivaingana a. Vao vita voazarazara anaty bocal dia fonosy bodofotsy haingana. Ny mampahamarikivy ny yaourt dia tsy fahampian'ny siramamy 
Mazotoa mampihatra ary a. Aza adino ny mizara rehefa nahay ianao.

Nahandro sy sarin'i Beby Lalaina - 12.11.17

 

Catégorie: