Voanjobory sy sosety

1129

LAOKA TSY MISY HENA: VOANJOBORY SY SOSETY (VEGETARIEN )

ZAVATRA ILAINA:

voanjobory lena
Sosety
tongolo be
tongologasy  
sira
menaka oliva
hanitra : zava-maintso sy epices dipoavatra raha tiana )
 

FIKARAKARANA AZY:

Tetehana madinika ny tongolo be sy tongologasy 
Endakendasina aloha ny tongolo be sy tongologasy asiana ireo hanitra izay tiana
Izay vao arotsaka ny voanjobory ary asiana rano mahamasaka azy.
Rehefa masaka io dia arotsaka kosa ny sosety efa voatetika madinika izay mora masaka kosa dia amboarina ny sira. 

Nahandro sy sarin'i Fanirizo Arimalala 25.03.18

Ingrédients: 
Catégorie: