Torta di tramezzino

Portrait de Angie
1152

TORTA DI TRAMEZZINO - GATEAU SALE:  

miarahaba ny mpanaraka ny Mamina, 

Ho an 'ireo tsy dia tia mamy nefa te hanao fety misy mofomamy dia ity azo atao solony ity "gateau masira", azo asiana labozia ary azo atao aperitif na fanokafam-bavony Nahandro namitahan'ny namana anay izy ity mantsy tena tsara loatra ary mora atao tokoa 

ZAVATRA ILAINA:

10 pain de mie na mofo tramezzini hoy ny italien, izay ampy
charcuterie : eto mifangaro fa azo atao ny misafidy hampiasa izay tiana ihany
150g di speck
150gr salami
150gr fromage de tete
150gr jambon 
8 sottilette (fromage fondu à la fontine) Ilay mifono sachet tsirairay manify ireny
Mayonnaise
Sauce au thon raha tiana 

  • lakrema : 

500gr fromazy blanc "ricotta"
500gr fromazy "frais philadelphia"
karoty voakiky
salady mifangaro voatetika madinika

 

  • Haingony  

Salvia na sauge (tsy haiko amin'ny teny malagasy) fa ravina manome hanitra na izay tiana
Oliva 
charcuterie atao rose 

FIKARAKARANA AZY 

Lakrema: 
Afangaro tsara anaty bol ny fromazy blanc "ricotta" sy ny fromazy "frais philadelphia" dia avela hipetraka kely anaty vata fampangatsiahana.

Apetraka ambony vilia ny mofo roa ary asiana mayonaise na saosy misy thon, avy eo asiana salami, fromazy sottilette , karoty voakiky na ilay salady mifangaro, 
saromana mofo roa indray dia asiana saosy izay tiana , fromage de tete na jambon dia tohizana ihany amin'ny salade 
Apetraka ny mofo manaraka dia tohizana araka izay tiana hatrany mandrapaha tapitra ny akora.

Lalorina ilay lakrema azo avy amin'ny ricotta sy philadelphia ilay mofo ka haingoina araka izay tiana , eto dia nasiana olive, salvia ary charcuterie ihany koa toy ny raozy. 
Rehefa vita dia ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandrapihinana azy 

Mazotoa ary fa sady mora ity no mba miova amin'ny mahazatra 

FANAMARIHANA: 

raha tsy manana pain de mie na tramezzini dia azo soloina genoise salé izay atao amin'ny "plaque " fisaka 35cm x 35 cm

ILAINA:

Atody 4,
sira ½ sotro kely
siramamy kely
Lafarina 150g
lalovay 1 sotrokely

FIKARAKARANA AZY:

kapohana ny atody dia asiana sira kely , sy siramamy 1 tsongo arotsaka tsikelikely ny lafarina ary farany ny lalovay.
maka “plaque” na lasitra fisaka ilay lehibe fanaovana pizza ohatra dia asiana “papier cuisson”, asiana menaka kely dia araraka eo ny paty atao fisaka malama tsara
ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C ka 10-15 minitra eo dia vita
rehefa vita dia ahohoka eo ambony latabatra efa misy “papier cuisson” madio ihany koa
Eto izany dia manana “genoise salé” manify.
Eto dia didiana mahitsy tsara araka izay bika tiana aloha io mofo io mba ho tonga tonga ny “pain de mie” ny habeany izay vao ampiasaiana amin’ny tohin’ny recette.

Nahandro sy sarin'i Lena Avolio (namana napolitana ) 

Ingrédients: 
Catégorie: