Tiramisù en verre

Portrait de Angie
1160

Miarahaba am-pifaliana hatrany 

TSINDRIN - TSAKAFO : TIRAMISU NEL BICCHIERI 

Mofomamy italiana izy ity ary tena mora atao tokoa 

ZAVATRA ILAINA :
Atody 3
Siramamy 50g
"Mascarpone" 250 g
"cacao"
biscuit boudoir 1 fonosana

Potika sokolà
ranon-kafe 1 vera, na ranona cacao
voankazo "cérises" atao haingony 

FIKARAKARANA AZY :

- sarahana ny atody , tamenany sy tapotsiny
- Afangaro sy kapohana tsara ny tamenany sy ny siramamy
- Arotsaka ao ny "mascarpone" dia afangaro tsara indray
- Kapohana hisavovona ny tapotsiny dia afangaro moramora amin'ny tetsy aloha amin’ny “spatule” na sotro be hazo
- Alaina tsirairay ny "biscuit" asoka vetitevy anaty ranon-kafe dia alahatra ao anatin’ny vera 
- Rakofana ny lakirema tetsy aloha avy eo dia haingoina amin'ny "cérises"

- Raha atao amin'ny "plat" kosa dia amin'ny fanambanin'ny "plat" no ho atao 
- izay hoe  alahatra indray ny "biscuit" efa nolemana tanaty ranon-kafe
- rakofana ny lakirema  dia lalorina tsara , avy eo dia averina apetraka ny biscuit dia toy izay hatrany ary faranana amin'ny lakirema
- Atsofoka anaty vata fampangatsiahana .

Alohan'ny handrosoana azy dia fafazana "cacao" ny tampony ary rarahana potika sokola .

Mazotoa o !

Nahandro sy sarin’i Hajamalanto Andrianjaka Ramaherijaona

 

Catégorie: