Tilapia frity

Portrait de Angie
1148

LAOKA na TSAKITSAKY : TRONDRO ENDASINA

ZAVATRA ILAINA:

Trondro tilapia na izay tiana
menaka fanendasana
sira
dipoavatra 

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara ny trondro dia esorina ny kirany sy ny atiny dia somary didiana ny vatany 
Asiana dipoavatra sy sira 
Hafanaina ny menaka betsaka dia endasina atao mikarepoka tsara 
Apetraka amin'ny taratasy hitsika tsara ny menaka dia aroso. 
Matsiro na hohanina amin'ny vary na salady 
Mazotoa o 

Ingrédients: 
Catégorie: