Terrine de Fruits

99

 

Tokony ho an' olona 6 na 8 isa eo ho eo.

Alohan' ny rehetra aloha dia manao jus de fruits 60cl hanamboarana gelée de fruits toy izao:
Jus de fruits efa vita hafanaina ambony afo ary arotsaka ao ny poudre gelatine 3c.a.c, ary rehefa mitsonika ny gelatine dia esorina ambony afo (tsy avela hangotraka)
Arotsaka ao ny tantely 2c.a.s ary haroina tsara hifangaro dia vita ny gelée de fruits.
Maka moule à cake (1kg) dia rarahana 20cl gelée de fruits ao anatiny ary atsofoka anaty refrigerateur mba hitambatra mandritra ny 15mn eo ho eo.
Mandritra izany dia tetehina fisaka madinika ny karazana voankazo (arakaraky ny vanim- potoany moa ny voankazo ampiasaina). Eto dia voasary, mananasy, fraises ary framboises no nanaovana azy (500g ny fitambarany)
Avoaka ny refrigerateur ny moule ary alahatra eo ambony gelée de fruits efa mitambatra ny karazana voankazo efa voatetika fisaka.
Vita izay dia araraka eo ambony ny ambin' ny gelée de fruits rehetra ary somary ahontsankontsana ny moule mba hiditra tsara any anelakelaky ny voankazo rehetra ny gelée de fruits ary mba hifatratra tsara ihany koa.
Averina ampidirina anaty refrigerateur indray ary rehefa tena mitambaingana tsara izy rehetra dia avoaka @ izay.
Somary sokafana kely @ tanana ny sisin' ny moule rehetra mba hanasaraka azy @ terrine ary atao anaty rano mafana roa segondra monja ny moule dia esorina.
Ahohoka anaty plat @ izay hiala ny terrine.
Azo aroso avy hatrany.

Azo atao koa ohatra hoe: jus de fruits 40cl dia vin blanc ny 20cl izay mahafeno azy 60cl ho an' izay te- hanisy vin blanc.
mazotoa o

de Moniques Claire Malala

Catégorie: 
Matériels: