Sauces diverses

46

Mirarahaba anao mpanaraka ny Mamina

Ato no misy fanoroana fanamboarana sauce blanche, sauce béchamel, sauce béchamel au fromage ...

SAUCE BECHAMEL 

 

1. Natolotr'i Nalitiana Tafangy 

dibera 100 g, 
lafarina 100 g, 
ronono 1 l.
sira, dipoavatra
kotomila kely

Atsonika ny dibera dia arotsaka ny lafarina, atao miova loko na manome ny hoe "roux " izany ilay lokon'ny lafarina, alefa tsikelikely ny ronono, arohina foana mba tsy hisy mivaingambaingana, vita izy rehefa tapitra ny ronono, ary mahazo saosy matevina ianao. Aza adino ny sira sy dipoavatra ary afaka asiana kotomila kely voatetika.

 

2. Natolotr'i Onitriniaina Rova Andriantsoa:

dibera 50 g,  
lafarina 50 g,  
ronono 50cl
sira, dipoavatra
"muscade" voakiky

Empoinaamin'ny afo malefaka ny dibera dia arotsaka ny lafarina, rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny ronono, asiana sira, dipoavatra ary "muscade" voakiky kely.
Haroina tsy an-kijanona mandra-parihidrihitra azy dia vita 

 

 

3. Natolotr'i Moniques Claire Malala

Mba azahoana saosy 30cl:

ronono 30cl,
tongolo be 
dipoavatra vaingany 10 isa
ravina "laurier" iray,
vovoka muscade 1c.a.c. safovavany
dobera 20g
lafarina 25g

Atao ambony afo ny ronono, miampy ny tongolobe nozaraina roa, dipoavatra vaingany, ravina "laurier", vovoka muscade.
Haroina tsara hifangaro ary vao mangotra-tokana dia esorina ambony afo ary saromana mandritra ny 20 minitra dia tatavanina hiala ny epices vaingany tao.
Afanaina ny dobera ary asiana lafarina avy eo. Haroina tsara tsy avela may, arotsaka ny ronono etsy ambony. Haroina tsy mijanona amin'ny "fouet" mandritra ny 3 na 4minitra eo, tsy atao mahery ny afo. Asiana sira sy dipoavatra dia vita ny sauce béchamel.
Ampiasaina amin'ny gratin na amin'ny lasagne ny sauce béchamel.

 

SAUCE BÉCHAMEL AU FROMAGE:

 

Natolotr'i Moniques Claire Malala

Mitovy amin'io ambony io ihany ny fanaovana azy fa saingy ny ronono atao bebe fotsiny.

ronono atao 50cl 
fromazy voakiky 125g
moutarde 1 sotro kely

 Rehefa voafangaro tsara izy rehetra dia esorina ambony afo ary asiana fromazy voakiky sy "moutarde".

Afangaro tsara mandrampintsoniky ny fromazy.

Tsy averina ambony afo intsony.

Somary rarahana "cumin" kely ny" sauce béchamel au fromage" rehefa vita.

Ampiarahina amin'ny trondro, na atody, na karazana legioma.

 

SAUCE BLANCHE

 

Natolotr'i  Moniques Claire Malala

Mba azahoana sauce 30cl:

 dobera 20g
 lafarina 25g
 bouillon (izay misy na ronkena, na rondasopy legumes, na ron'akoho, sns...) 30cl

Antsonika anaty vilany aloha ny dobera dia arotsaka ny lafarina. Haroina tsara amin'ny "fouet " 2 minitra, tsy atao afo mahery. Esorina ambony afo ary arotsaka ny bouillon.
Averina ambony afo ary afangaro tsara amin'ny" fouet" mandritra ny 3-4minitra eo.
Asiana sira, dipoavatra dia vita ny "sauce blanche".
Azo asiana persila voatetika madinika miaraka aminy ao.
Aroso miaraka amin'ny hena efa masaka, na trondro ritra mifangaro legima na nofon'akoho efa masaka.

 

natolotr'i Minasoa Rafaramalala

Mba azahoana 30cl sauce blanche liquide:

 dobera 15g
 lafarina 25g
 bouillon 30 cl

Afanaina amin'ny  afo malefaka ny dibera ary haroina tsy mijanona
Arotsaka tsikelikely ny lafarina Haroina ihany amin'ny  "fouet" 2 minitra tsy ankijanona.
sorina ambony afo dia araraka tsikelikely ny bouillon sady haroina foana. Averina ambony afo ary haroina tsy mijanona 2 na 3 minitra.
Asiana sira, dipoavatra dia Vita.

Azo asiana persila voatetika ny "sauce blanche" 2 minitra alohan'ny hanesorana azy eo ambony afo.

Aroso miaraka amin'ny  hena ritra, nofon'akoho nandrahoina tamin'ny masakevoka, trondro, legioma samihafa.

Mazotoa o 

 

 

Catégorie: 
Matériels: