Saosisy sokolà

417

SALAMI DE CHOCOLAT - SAOSISY SOKOLA'

anisan'ny zavamamy tena tian'ny italiana ny sokolà, ity "salami de chocolat" ity, dia tena specialité hitanao eraky Italie na dia samy manana ny maha samy hafa azy aza ny faritra tsirairay, mora atao sady tian'ny rehetra na ankizy na lehibe ary fihinana rehefa misy fety. Matetika rehefa noely sy paska satria feno koa ny sokolà sy biscuit.

ZAVATRA ILAINA:

biscuit maina 300g 
siramamy 100g
dibera 150g
atody 2
Sokolà mainty 200g na cacao vovony tsara kokoa
Ronono na Rhum 2 sotro raha tiana

FIKARAKARANA AZY.

- ny zavatra atao voalohany dia ny mamoaka ny dibera avy ao anaty frigo mba halemy mandrapikaraka ny hafa rehetra 
- maka tsatokaty (bol) lehibe dia potipotehina ao ny biscuit 
- atsonika "bain-marie" ny sokolà : maka vilany dia asiana rano kely dia apetraka ao ny bol kely mahazaka mamay dia atao afo malefaka mba hitsonika ny sokolà. Ka rehefa mitsonika dia avela hangatsiaka.
- maka bol indray dia atao ao ny dibera efa nalemilemy izay , dia afangaro ela ela amin'ny "spatule " mba halemy tsara , arotsaka ny siramamy dia ahodina foana avy eo arotsaka ny atody ary farany ilay sokolà efa nangatsiaka izay sy ny ronono na rhum raha asiana, dia afangaro tsara hatrany 
- arotsaka ao anatin'ilay biscuit efa potipotika amin'izay dia afangaro tsara . rehefa vita izay dia vonona ny pate ka na atao salami iray lehibe na zaraina roa kelikely 
- maka "papier allu " dia velarina eo ambony latabatra avy eo velarina koa ny "papier cuisson" mety koa na film alimentaire aza, dia araraka atao lavalava eo ny pate, hidina tsara toy ny bonbon dia ampidirina anaty vata fampangatsiahina 3 heures , ary tetehina araka izay habeany tiana rehefa hihinana.

Fanamarihana : azo zaraina 2 ny pate dia ny iray asiana rhum ny iray asiana ronono. 
Azo tehirizina ao anaty frigo 3 andro eo fa atao anaty boaty mihitsy tsara.

Mazotoa manandrana fa izay manao ihany no mihinana ny tsara o

Catégorie: 
Matériels: