Salady zavoka

14

Salady zavoka

Zavatra ilaina

 zavoka , voatabia, tongolo be , kotomila, voasary makirana, menaka oliva, sira, dipoavatra, siramamy

Fikarakarana: 
- voasana ny zavoka dia zaraina 2 esorina ny voany dia didiana manify kely 
- manao saosy voasary makirana: tetehana ny tongolo oignon, ny voatabia, ary kotomila, asiana  ranom-boasary makirana, menaka oliva, sira, dipoavatra kely, azo asiana siramamy kely,  afangaro tsara ireo ka rehefa vita dia saromana ilay zavoka voatetika manify. Aroso hohanina miaraka amin'ny mofo atao "entrée froide". 
Mora atao sady tsara be. 

Mazotoa o

Catégorie: 
Matériels: