Salady tsaramaso

784

SALADY VOAMAINA - 

Zavatra ilaina :

Tsaramaso mainty 1boaty
Tsaramaso fotsy 1boaty
Tsaramaso mena 1 boaty
sakaibe maitso 1/2 (poivron vert)
sakaibe mena 1/2 (poivron rouge)
salady 1/2
Paprika 1 sotrokely
tongolo mena 1/2
ranom-boasary makirana 2 sotro fihinanana
Sira, dipoavatra

Fikarakarana azy:
- Tetehana ny tongolo sy ny sakaibe ary tonga dia alona anaty ranom-boasary makirana
- Atsika tsara ny tsaramaso avy tao anaty boaty ary kobanina amin'ny rano mangatsiaka
- Afangaro aminy fangaro teo aloha ary asiana salady sy paprika amin'izay.
Tsotra sy mora atao.
Mazotoa daholo.

nahandron'i Voahangy Treves

Catégorie: