Salade de calamar

488

Salady calamar

Zavatra ilaina :
Calamar , divay fotsy (1 pot yaourt) , noix, sira, ranomboasary makirana, menaka oliva, voasary ary persil 

Fikarakarana azy:
- Diovina tsara ny calamar , tapahina manify boribory, 
- Arotsaka anaty rano mangotraka misy sira sy divay fotsy latsaky ny iray minitra. Tsifina tsara. 
- asiana noix (efa afaka akorany) 
- sasana ny voasary dia zaraina roa , esorina moramora ny atiny ary tetehina madinika dia afangaro amin'ilay salady (esorina ilay fotsifotsy fa misy mangidy ireny)
- manao saosy : ranomboasary makirana, huile d' oliva, asiana sira (raha tiana dia asiana siramamy kely 1 tsongo manome tsiro ny saosy) ary persil voatetika madinika, 
Afangaro daholo ary aroso araka izay endrika tinao, ny ahy hodim-boasary no nataoko solon'ny vilia 
Mazotoa o

Nahandron'i Tiana Parlato

 

Catégorie: