Saint Valentin

54

Saint Valentin 

Lasa aloha izy ity ry zavavy!
Tsy maninona satria tena favy
Elle ne ressemble à rien, 
Mais c'est pour le saint Valentin!

Raha Jerenao tsara izy ity
Dia loham-behivavy ao anaty lovia!
Mitsiky sy toa miramirana
Ny volo sy vavany akondro mihorirana.

Pomme sy paiso ny sofina sy masony
Pomme mena ny orona sy volomasony
Raisins secs no nataoko kaviny
Mandarine roa no raviraviny!

izay no mombamomba azy io,
ka raha misy tsy tinao dia ario!
Azonao hatao zavatra hafa!
F'izay tinao no tsara sy tafa!

Toy io izy raha tsy ampihaingoana,
Fo roa mikambana sy mifanoina!
Moka no pâte nanaovako azy
Mety koa raha atao génoise!

- 200g no atao siramaminy
- atody 5 indray kapohina miarak'aminy!
- iray sachet ny levure chimique
- 50g ny beurre mitsoninika

- ampiana ronono tapa-bera
dia afangaro sy atao anaty moule misy beurre
Ary ampidirina four mafana tsara
Afaka 40 mn dia avohay f'aza tara.

Mba nialàko ny gâteau à la crème
ka raha tsy tinao aza asiana "j'aime" 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: 
Matériels: