Quiche au poisson

Portrait de Angie
1163

 

Am-pifaliana hatrany no hizarana ny nahandron'i Malagasy eran-tany mazoto mizara ny fahaizany mahandro ho an'ny hafa maimaim-poana 

 

 

QUICHE AU POISSON 

 

 

ZAVATRA ILAINA 

 

  • Pate à quiche: 

250g lafarina,
100g dibera malemy,
tamenak'atody 1,
sira tsongony,
siramamy tsongony,
rano na ronono kely 

 

  • Sesika : 

Nofon- trondro
sira,

dipoavatra,

thym
ronono kelikely,
crème fraîche kelikely koa,
atody 1,
muscade
fromazy voakiky 

 

FIKARAKARANA AZY 

 

 

  • Pate à quiche: 

- afangaro amin'ny tanana maina ireo akora ilaina rehetra, alefa tsikelikely ny rano na ronono, atao zay hampitambatra azy ho "boule" fotsiny, tsy lalaovina ela fa vetivety ihany dia fisahina

- tonga dia atao anaty  lasitra na "moule à tarte" efa nohosorana menaka na dibera dia norarahana lafarina maina. Avela kely eo miandry ny sesika.

 

  • Sesika : 

Ampangotrahana amin'ny rano, nisy sira, dipoavatra ,thym ny nofon- trondro dia sarasarahina amin'ny tanana rehefa masaka, ary araraka anaty pâtey efa vita teo.
Maka ronono kelikely, ampiana crème fraîche, atody dia kapohina miaraka ireo, asiana sira, dipoavatra ary muscade, araraka eo ambony nofon-trondro, farany rarahana fromazy voakiky eo ambony,

 

 

FAHANDRO AZY
 

Ampidirina lafaoro efa nohafanaina mialoha, 180°C tokony ho adiny 1 eo ho eo fa miankina amin'ny lafaoro. 

 

Mazotoa o 

nahandron'i Stella Yolande Hokowa‎ -21.09.2018