Polpettone di tonno- roulé de thon

Portrait de Angie
1050

Miarahaba am-pifaliana hatrany ny mpamangy ny Mamina

LAOKA na TSAKITSAKY : ROULE’ DE THON- 

Fampiharana ny nahandro natolotr’i Benedetta ao amin’ny pejy Fatto in casa Benedetta izay efa nahazo alalana avy aminy moa ny Mamina amin’ny fandikana ny recette-ny rehetra saingy ny fotoana no tsy maharaka 
Tena mora izy ity no tian’ny rehetra

ZAVATRA ILAINA,

thon 3 boaty (amin’ny menaka oliva ary milanja 160g ny 1)
atody 3
fromazy voakiky parmesan 3 sotro fihinanana
potimofo na hoe chapelure 3 sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY:

Atao anaty bol ny thon dia potsipotserina hisaratsaraka tsara ny nofony
Arotsaka ny atody ary afangaro tsara
Arotsaka koa ny fromazy voakiky parmesan sy ny potimofo dia afangaro tsara avokoa
maka taratasy fanao anaty lafaoro "papier cuisson"dia apetraka eo ny thon ary ahorina toy ny mamono “bonbon”, terena tsara mba hifintina tsara tsy misy rivotra,
fonosina papier alluminium toy ny “bonbon” indray avy eo ary atao roa sosona ity faharoa mba tsy hidiran’ny rano.
Atao anaty vilany dia tondrahana rano mangatsiaka
Ataingina ambony afo ka rehefa mangotraka vao mijery ora ka tokony 40 minitra eo raha natao iray lehibe ary 25 minitra kosa raha nozaraina bonbon 2 io fatra io ka natao kelikely ny bikany,
Rehefa tapitra dia esorina ao anaty rano dia avela hangatsiaka aloha izay vao tetehana, na ampidirina anaty vata fampangatsiahana azo aroso ao anatin’ny roa andro.

FANAMARIHANA:

-mitovy daholo ny fatra eto samy 3 avy ka raha ampitomboina na ahena dia ampiana 1 na analana 1 avokoa
- Azo atao nofondrondro masaka izay misy fa mila asiana menaka oliva sy sira
- Azo asiana zavamaintso : tongolo maintso, kotomila, persila , basilika, solila sns
-Azo ampiana izay hanitra tiana: tongolo gasy, epices …
- Azo asiana izay legioma masaka izay tiana: korzety, karoty, ovy sns 
- Azo ampiana fangaro: oliva, caperi,
-Azo ovaina pain de mie na pain carré fa esorina ilay sisiny iny raha tsy misy chapelure
- Azo atao laoka na tsakitsaky miaraka amin'ny salady na ovy frity sy ny saosy samihafa mayonaise , ketchup sns
- Azo fonosina lamba "coton" madio tsara dia fatorana tady fahandro raha tsy misy "alluminium sy papier cuisson"

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 27/08/ 2017
jereo ato ny video Fatto in casa Benedetta
 

Ingrédients: 
Catégorie: